26 MEY 2023 KABARY TAO AMIN’NY ONIVERSITE PARIS SORBONNE

26 MEY 2023 KABARY TAO AMIN’NY ONIVERSITE PARIS SORBONNE

30 mai 2023 Non Par Talen'ny serasera
NANAKOAKO TAO AMIN’NY ONIVERITE AN’I PARIS SORBONNE NY KABARY MALAGASY 🤎
💫Teny fanevan’ny FI.MPI.MA. 2022 – 2026, araka ny tapaky ny Zaikabe tany Fianarantsoa ny hoe : “Kabary malagasy, haren-tsaina mampiray, iombonan’izao tontolo izao, miako maneran-tany”.
💫Tsy kombaka am-bava na volana an-tenda, hoy ny fitenenana, fa miako maneran-tany tokoa ny Kabary ao anatin’izao fankalazana ny faha-60 taona nijoroany izao.
💫Mpikambana FI.MPI.MA. avy amin’ny Sampana maro no tonga nifanotrona tao Sorbonne, ny zoma 26 mey 2023 lasa teo. Ankoatra ny Faritany FI.MPI.MA. Frantsa dia tonga tao ihany koa ny avy any Benelux sy Norvège.
💫Tsaroana ny tamin’ny 10 taona lasa, nankalazana ny faha-50 taonan’ny FI.MPI.MA., nanatanterahina Fikaonan-doha momba ny Kabary sy ny tontolo manodidina azy, tao amin’io toerana io ihany, izay ny Talen’ny Hetsika ivelan’ny Nosy, RAKOTONIAINA Bearisoa Printsy hatrany no nikarakara ny fandraisana anjara tamin’izany.
💫Tao amin’ny Amphithéatre lehibe, Oniversite an’i Paris Sorbonne,araka izany, no nandraisan’ny FI.MPI.MA. anjara tamin’ny alalan’ny seho an-kabary, notontosain’i Domoina RATOVOSON, mpikambana avy ao amin’ny Sampana FI.MPI.MA. Montpelier sady Talen’ny arisiva eo anivon’ny Foibe FI.MPI.MA. maneran-tany.
💫Nankafizin’ireo mpanatrika ny hankaton’ny Kabary, nafonja rahateo ny hafatra nampitaina, hany ka nirefodrefotra ny lamako tao aorian’ny Kabary izay natao. Manam-pahefana maro, Masoivoho amin’ny firenena samihafa, Akademisiana, olo-manan-kaja maro maherin’ny 900 no nanotrona izany lanonana izany.
📌Marihina moa fa ao anatin’ny faha-100 taonan’ny Académie des sciences d’outre mer izao fandraisana anjaran’ny FI.MPI.MA. izao ary nitondra fanazavana momba ny Fikambanana sy nampahafantatra momba ny Kabary izay efa lasa Vakoka tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona eo anivon’ny Unesco, Rtoa Filohan’ny FI.MPI.MA. maneran-tany ANDRIAMBOAVONJY Hanitriniaina R. tamin’ny anjara fitenenana izay nataony.
FI.MPI.MA., Miroso hatrany, miaro ny ilo mby an-doha !