FENI-PANORATANA NY TENY MALAGASY ASABOTSY 2 NOVAMBRA 2019
Ny foiben’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy dia faly manasa anao hiaraka hanatevim-pahalalana amin’ny feni-panoratana ny teny malagasy. Izany dia atao ny asabotsy 2 Novambra 2019 ao amin’ny Haitsiron’Iarivo – ININFRA Alarobia. Fanazavana fanampiny : 034 04 188 97 FB : Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy
AKON’NY LANONANA 6 FANKALAZANA NY FAHA 10 TAONAN’NY FARITANY FRANTSA
« ASANDRATRO NY TENIKO, HISONDROTAN’NY TANIKO » Akon’ny lanonana lehibe 6 nitety ny tanan-dehibe manerana ny Frantsa, niaraka tamin’i Erick Manana sy ny Feo Gasy, ho fankalazana ny faha 10 taonan’ny Faritany FI.MPI.MA. Frantsa Fahombiazana tanteraka no azo ilazana ny lanonana lehibe enina (6) nokarakarain’ny Faritany FI.MPI.MA. Frantsa niaraka tamin’i Erick Manana sy Feo Gasy, ho fankalazana…