FAFY 4

FAFY 4

 

Ny fo tony no mahay tono hoboka

Ny hetsi-po rehetra dia baikon’ny saina, ary azo fehezina: fifaliana, ahiahy, hatezerana, tebiteby, hatoniana.

Ny fo tony, dia fo afa-miatrika am-pilaminana ny toe-java-misy izay mety mampitahotra, mampijaly, mampitomany, mampitebiteby.

Raha ny fanaovana zavatra na hanina anaty lavenona na lelafo, mba ho masaka no andikana ny TONO; “ny tono hoboka” kosa dia enti-milaza fihazonana na fitànana tsiambaratelo, fanafenana am-pahamendrehana ny zavatra tsy tokony havoaka holazaina amin’ny olon-kafa.

Ampiasaina io fomba fiteny io ananterana fa olon-kendry, mahay mandanjalanja no azo ametrahana fitokisana, ary antenain-tsy hivadika, ka: “ ny fo tony no mahay tono hoboka”

Abéline Eléonore