FARITANY AM.A.A. TOAMASINA LANONANA 27 JOLAY 2019

FARITANY AM.A.A. TOAMASINA LANONANA 27 JOLAY 2019

1 août 2019 Non Par Talen'ny serasera

Tontosa soa aman-tsara ny asabotsy 27 Jolay 2019 ny lanonana izay nataon’ny Sampana Koragna sy Soa ambo Faritany Toamasina. Ivon’ny lanonana ny fanolorana mari-pitozoana ireo sokajy taninketsa, fanolorana mari-pahaizana ireo sokajy mpiofana sy ny sokajy takalo. Nanamarika ny lanonana ihany koa ny fanasaloran-damba ireo mpikambana raikitra nahafeno fepetra. Nanafy haja ny fotoana ny fanotronan-dRtoa Filoha Hanitra ANDRIAMBOAVONJY mivady sy ny Filohan’ny Faritany Frantsa Atoa Dera RAMANDRAIVONONA ary ny Talen’ny Tetikasa Rtoa Voary RANOROMAMPIONONA.

Tsy nanadino ny faritany ireo solotenam-panjakana tao an-toerana fa tonga nanafy haja sy voninahitra ny lanonana. Seho kanto nahafinaritra no nandravaka ny fotoana.

 

Tsindrio ny sary dia hihalehibe