
FARITANY FRANTSA 27 jona 2020 Iray volan’ny teny malagasy sy faha 60 taonan’ny fahaleovantena
Vita soa aman-tsara ny hetsika fanamarihana ny faha 60 taona niverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madakagasikara sy ny Iray volan’ny teny malagasy tamin’ny asabotsy 27 jona 2020.
Fanamby lehibe tokoa no nanaovana izany satria zava-baovao no natao, ary sarotra ny fanatanterahana azy amin’ny lafiny teknika satria ny olona maneran-tany no afaka nijery izany.
Noho ny fifandrimbonan’ny tanana ny asa tontosa, ny firaisan-kinan’ny tongotra ny dia lavorary ary azo lazaina am-panetren-tena fa nahomby ny hetsika natao tamin’ny 27 jona 2020.
Nijery avokoa :
- ny Sampana FI.MPIMA. Frantsa rehetra,
- ny Faritany FI.MPI.MA. any Madagasikara : A.MA.A Toamasina, Antananarivo, Antsirabe, Antsiranana, Fianarantsoa, Mahajanga ary Toliara.
- ny Faritany / Sampana FI.MPI.MA. aty ivelan’ny nosy : Alemana, Bénélux, Kanada, La Réunion, Norvezy, Soisy.
Marobe no nijery izany mivantana tamin’ny pejy Fesiboky Faritany FI.MPI.MA. Frantsa. Mitohy isa hatrany ny mijery izany ao amin’ny Fesiboky hatramin’izao.
Eo am-panatanterahana ny famoahana azy amin’ny Youtube koa isika ankehitriny.
Koa fisaorana eram-po, eran-tsaina ary fankasitrahana tanteraka no atolotra :
- anareo mpikambana sy sakaizam-pikambanana rehetra nanomana ny hetsika,
- anareo nanao ny horonan-tsary, indrindra izay nanao ny fanamboarana farany,
- anareo niandraikitra ny Zoom sy anareo niandraikitra ny fampitana tamin’ny Facebook.
- anareo mpanolotra,
- anareo CEN mpiandraikitra ny RNS sady mpikambana ary mpiofana FI.MPI.MA. nampita ny traikefan’ny CEN tamin’ny fanaovana RNS Challenge Live nandritry ny fihibohana.
- ary anareo biraom-paritany izay tsy nandry andro tsy nandry alina nandrindra ny hetsika.
Andrana voalohany ny nataontsika, ny manetsa be mbola ho avy e !
Hifanohana hatrany isika amin’ny fampiroboroboana ny Faritany FI.MPI.MA. Frantsa, indrindra amin’izao fankalazana ny fahafolo taonany izao !
Asandratro ny teniko, hisondrotan’ny taniko !