FISAORANA SY SARY HERINANDRON’NY KABARY TOLIARA 12 – 17 AOGOSITRA 2019

FISAORANA SY SARY HERINANDRON’NY KABARY TOLIARA 12 – 17 AOGOSITRA 2019

19 août 2019 Non Par Talen'ny serasera

FISAORANA NOHO NY FAHATONTOSAN’NY HERINANDRON’NY KABARY – TOLIARA 2019

Ry Mpiray dia,

Faly manolotra ny arahaba homban-drary sy ny akory tovanan-kasina ho anareo.
Tontosa‭ ‬ ‭ ‬soa ‭ ‬aman-tsara‭ ‬ ‭ ‬ny Herinandron’ny kabary ny 12 aogositra 2019 hatramin’ny 17 aogositra 2019 lasa teo‭ ‬tao Toliara.
Manoloana izany, mby amin’ny hoe “ny vary tsy fotsy tsy an-daona, ny dihy tsy vita tsy ngadona” koa tsy mionona ny fo , tsy mianina ny saina raha tsy mitodika aminareo isam-paritany,‭ ‬ ‭ ‬isan-tsampana,‭ ‬ ‭ ‬nanome‭ ‬ ‭ ‬tanana,‭ ‬ ‭ ‬nahafoy‭ ‬ ‭ ‬vola‭ ‬ ‭ ‬aman-karena‭ ‬ ‭ ‬ka‭ ‬ ‭ ‬niombom-po, nifanotrona na nandefa solontena tamin’ny FI.MPI.MA. foibe tamin’iny hetsika iny. Fivorian’ny Antenimiera Foibe sy Atrikasa mialohan’ny ny fotoam-piasana isa -tsehatra, sady fitodihana ny lasa no fibanjinana ny ho avy.
Koa tolorana ny fisaorana feno, fankasitrahana tanteraka ny isan-tsehatra. Nanao ianareo ka‭ ‬ ‭ ‬nahavita,‭ ‬ ‭ ‬nilofo‭ ‬ ‭ ‬ka‭ ‬ ‭ ‬nahatontosa,‭ ‬ ‭ ‬voatafy‭ ‬ ‭ ‬haja‭ ‬ ‭ ‬sy‭ ‬ ‭ ‬voatemitra‭ ‬ ‭ ‬voninahitra‭ ‬ ‭ ‬ny fikambanantsika noho izany. Mionera be ny lany.

Veloma aina soava tsarà
Hiombom-po amin’ny FI.MPI.MA.

Amin’ny anaran’ny Filoha sy ny Birao Foibe FI.MPI.MA. maneran-tany

 

SARY