Horonan-tsary hira faneva FI.MPI.MA.

13 avril 2020 Non Par Talen'ny serasera

 

Horonan-tsary hira fanevan’ny FI.MPI.MA. sy ny tonony.

1. Fa ny teniko no hajan’ny taniko
Asandratro fa tena mamiko
Ka ny fombako hivoatra hatrany
Dia ny ribany no ho fy sy ho mamy

2. Fa ny ra iraisako aminy
No itiavako ny soa tsy holaniny
Amin’ireo Malagasy rehetra
Amin’ny Nosy izay tsara fitoetra

3. Izay rehetra ho andron’ny fiainako
Sy izay tratr’itony fisainako
Handalako ny hasin’ny teniko
Ho adidiko mba tsy ho neniko

Fiverenana :
Zanahary tsofy rano ho tsarà
Ny fiombonana ho FI.MPI.MA.
Ny kabary no vahatry ny aina
Kibo voky tsy mahaleo ny saina

Tonony : RAKOTOMAVONIRINA Voaray Jery
Feony : RAKOTOJAONA Herisoa Andrianaina