Iray volan’ny teny malagasy Asabotsy 6 jona 2020 @ 4 ora – 6 ora (ora madagasikara) Zoom
« TENY MALAGASY TENY VELONA «
Ho fanamarihana ny IRAY VOLAN’NY TENY MALAGASY, manasa anao amin’ny dinidinika amorom-patana, izay hatao ny asabotsy 06 jona 2020 amin’ny 4 ora – 6 ora (ora Madagasikara), amin’ny alalan’ny fampiasana ny Zoom.
ANDEHA HANATEVIM-PAHALALANA !
« Izay tia ny tenin-drazany, tia ny tanindrazany ».
Lahadinika :
- “Ny satan’ny teny malagasy teo amin’ny tantaran’i Madagasikara.”
Mpisorona afo : Atoa RANJATOHERY Harilala,
Mpampianatra tantara, Akademisiana,
Renala FI.MPI.MA.
- “Ny fiovana nentin’ny sivilizasiona samihafa teo amin’ny teny malagasy.”
Mpisorona afo : Dr RAVALITERA Rabenalisoa Jean,
Mpampianatra mpikaroka, Akademisiana,
Filan-kevitry ny fampianarana sy fikarohana eo anivon’ny Birao Foibe FI.MPI.MA.,
Renala FI.MPI.MA.
Rohy Zoom : Dinidinika amorom-patana >>