
FARITANY SOISY Lanonana 27 Aprily 2019 GENÈVE
Arahabaina toa an-dRavoninkazo isika rehetra, ka hotsidihan’ny lolo marevaka, hovangian’ny renitantely; ho tojo fahatsarana sy fahamamiana »
Notanterahina teto Genève, salle paroissiale Servette, avenue Wendt, 1203 Genève, ny asabotsy 27 Aprily nanomboka tamin’ny 6 ora hariva, ny lanonana telo sosona :
Fianianana nataon’ny filoham-paritany Soisy Naina Rabemanantsoa, Famoahana ny andiany ´LahitokanampelaSoa’, Fanasaloran-damba ny andiany ´Rakijoro’. Notanterahina ihany koa ny fampitana faneva sy fanilo teo amin’ireo andia roa nifanarakaraka ireo.
Tononkalo sy seho ´Orinasa Be fitiavana’, nosoratan-dRainibemirindra, no nolalaovin’ireo andia vao nivoaka nanohizana ny fotoana.
Hirahira sy fiaraha-misakafo mandra-maraina kosa no namaranana azy.
Tonga niahy ny lanonana manara-penitra ny Filohan’ny FI.MPI.MA. maneran-tany Hanitra Andriamboavonjy. Nanampy azy tamin’izany ireo Birao Foibe:
Lanto Andriantsifaritana,Mpiandraiki-draharaha ivelan’ny nosy, Sahondra Ratovonarivo, Talen’ny serasera ivelan’ny nosy, Tafika Rakotomavo, Talen’ny fampianarana sy fikarohana ivelan’ny Nosy. Ary nanotrona ny fotoana Dera Ramandraivonona, Filoham-paritany Frantsa.
Tonga nanome voninahitra ihany koa ireo solon-tenam-panjakana izay notarihan’ny Mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny masoivoho ao Genève, Andriamatoa Kola Hemi-Aulin.
Tsindrio ny sary dia hihalehibe