Fikambanana fehezin’ny didy hitsivolana 60-133, tamin’ny Oktobra 1960, lalàna mikasika ny fikambanana tsotra eto Madagasikara
Ny niorenan’ny FI.MPI.MA. :
Toy ny nilatsaham-baratra tao Antananarivo raha nahare fa nody mandry tamin’ny zoma 18 oktobra 1963 Ingahy Ravalison, Mpikabary ngeza lahy sy nikoizana antsoina hoe “ROSE VALISOA”. Io fodiamandrin’i Rose Valisoa io no nanentana ireo Mpikabary namany amin’ny tokony hananganana ny Firaisan’ny Mpikabary Malagasy (FI.MPI.MA.)
Alahady 16 naovambra 1963, tao an-tranon-dRAJOHNSON Samuel, eny Ambodirotra, 136 route circulaire no nivory voalohany ireo nanorina ny “Firaisan’ny Mpikabary Malagasy”. Efatra ambin’ny folo mirahalahy (14) izy ireo teny am-piandohana:
RAJOHNSON Samuel, RAVALISON Gaston, ANDRIAMANONY Jules, ANDRIAMORASATA, RANDRIAMANALINA Raymond, RAKOTOJAONA Job, RAKOTOJAONA (pasitera Ambohinambo), RAZAFIMAHEFA Alphonse, ANDRIAMANANTENA Célestin, RAHARIMANANA,RATOVOHERIZO Harisoa, ANDRIAMANANTENA Georges, RAFIDY RAVELOMANANTSOA, RAKOTOSON Daniel
Ireo Filoha Nifandimby :
1963-1971 | RAJOHNSON Samuel |
1972-1979 | RANDRIAMANALINA
Raymond na ANDRIAMANALINA Rombalahivola |
1980-1991 | RASAMOELINA ANDRIANASOLO Fidèle
Augustin |
1991-1996 | RATOVO RAVALISON Gaston |
1996-2002 | ANDRIAMPANASINA José
Rivoarivony |
03-2002/ 12-2002 |
RABENANDRASANA Lalao
François |
2003-2006 | HERISOA ANDRIANAINA RAKOTOJAONA |
2006-2026 | ANDRIAMBOAVONJY
Hanitriniaina Ravaomalala |
Tanjon’ny FI.MPI.MA. :
“Miaro sy manondrotra ny fomba amam-pitenenana malagasy amin’ny alalan’ny Kabary”.
Teny filamatry ny FI.MPI.MA. :
“Izay tia ny tenindrazany, tia ny tanindrazany”.
Teny faneva 2022 – 2026 :
« Kabary malagasy, haren-tsaina mampiray, iombonan’izao tontolo izao, miako maneran-tany. »
Firehana :
Tsy manao politika ny FI.MPI.MA. Tsy manavakavaka eo amin’ny lafiny finoana, firazanana, foko, fiaviana, lehilahy sy vehivavy ary taona.
Rafitra an-tanantohatry ny fikambanana
- Ny Zaikabe
- Ny Antenimiera Foibe
- Ny Vovonana foibe maneran-tany
- Ny Faritany
- Ny Sampana
- Ny Rantsana
Fikambanana TOKANA misandrahaka ho Faritany, Sampana ary Rantsana.
Ny Faritany dia fivondronan’ny Sampana isam-paritra.
Ny Sampana dia rantsa-mangaikan’ny Fikambanana miorina araka ny safidin’ny mpikambana te hivondrona.
Ny Rantsana dia toeram-pampianarana kabary sy rantsa-mangaikan’ny fampianarana ataon’ny FI.MPI.MA, tanterahan’ny Faritany sy ny Sampana. Mety ho miankina amin’ny Faritany iray na miankina amin’ny Sampana iray.
Ireo toerana misy ny FI.MPI.MA.(taona 2023) :
NY ETO MADAGASIKARA
Faritany (7) :
A.MA.A Toamasina, Antananarivo, Antsirabe, Antsiranana, Fianarantsoa, Mahajanga, Toliara
NY ANY IVELAN’NY NOSY
Faritany 3 sy Sampana 6 ahian’ny Foibe mivantana any ivelan’ny Nosy :
Faritany : Frantsa, Kanada, Suisse
Sampana : Alemana, Benelux, La Réunion, Nosy Maorisy, Norvezy, Côte d’Ivoire
Ny faritany Frantsa dia misy sampana 12 sy rantsana 5 :
Sampana : Avignon, Bordeaux, Lyon, Marseille, Menamasoandro, Montpellier, Mulhouse, Orléans, Paris, Rouen, Strasbourg, Toulouse
Rantsana: Grenoble, Le Mans, Lille, Nice, Pau
Hiverina<< Pejy NY FI.MPI.MA. na Pejy FANDRAISANA