FIZOTRY NY ZAIKABE ANTSIRANANA 2018

 

Zaikabe fahefatra – Antsiranana 2018

  1. Vaninandro hanatanterahana ny Zaikabe any Antsiranana
  • Manomboka ny alahady 30 septambra 2018 ary mifarana ny asabotsy 6 oktobra 2018.
  1. Toerana hivoriana
  • Ao amin’ny Grand Seminaire Paul VI, Scama, ankoatra ny lanonam-panokafana sy lanonam-paranana, izay hatao ao amin’ny Lapan’ny tanànan’ Antsiranana.
  1. Toerana hatoriana
  • Ao amin’ny Grand Séminaire Paul VI, Scama, Saint JO, Hotel de la Poste na any amin’ny fianakaviana na trano fandraisam-bahiny.
  1. Sakafo
  • Azon’ny isan-tsehatra atao ny mikarakara ny sakafon’ny mpikambana ao aminy.
  • Manana rindran-damina manokana amin’ny fahandroana sakafo ny Foibe. Raha mila fanazavana fanampiny, aza misalasala miantso ny mpandraharaha Foibe amin’ny laharana 034 04 188 97.
  1. Fiantohana
  • Ny Foibe no miantoka ny fiantohana na “Assurance”, ho an’ny mpikambana misoratra anarana ho amin’izany. Misy sarany aloa kosa ho an’ny sakaizam-pikambanana.
  1. Dia mankany Antsiranana
  • Lavitra Antsiranana, araka izany, ankoatra ny avy any Mahajanga sy ny Faritanin’ Antsiranana dia mandalo eto Antananarivo avokoa ny avy any amin’ny Faritany hafa, ka atao izay hahatongavana eto Antananarivo ny zoma 28 septambra antoandro. Ny Foibe no handamina ny fiantranoana ho an’ireo tsy manan-kovantanina ka misoratra anarana mialoha araka izay azo atao. Toraka izany koa ny fiverenana, mijanona iray andro eto Antananarivo ho an’ireo izay maniry izany.
  • Ho an’ireo mila fanampiana amin’ny fiara iombonana ka milaza mialoha ny 20 septambra no hokarakarain’ny Foibe. Hisy ny fandraisana ny tolotra avy amin’ireo matihanina amin’ny fampanofana fiara efa za-dalana mankany Antsiranana.
  • Ho an’ny isan-tsehatra efa manana ny fiarany kosa dia hiara-kiainga eto Antananarivo ny asabotsy amin’ny 29 septambra amin’ny 5 ora maraina, ka eo amin’ny HJRA ny fahatongavana sy famatrarana ny entana, ary amin’ny 5 ora sy sasany maraina ny -fiaingana.
  • Ho an’ny Faritany na sampana manana fandaminana manokana amin’ny fiara, (fiara ara-dalàna tsara no alaina, fa tsy sodokan’ny mora indrindra.), na ho an’ireo izay mitondra fiara dia irina indrindra ny mba hanaovan’izy ireo valala manjohy miara-miainga ny asabotsy, hiarovana amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Hisy ny fifampiraharahana amin’ny mpitandro filaminana ataon’ny Hanamora ny fandraisana sy ny fandaminana ihany koa ny fiarahan’ny rehetra tonga any an-toerana.

Aza hadinoina ny akanjo hanaovana amin’ny ala vonkina, ny fanatanjahan-tena, ny fitsangantsanganana, ny fampisehoana isam-paritra ary ny eny amoron-dranomasina…

 

Ny Foibe no mandamina sy mandrindra ny fandehanana ho an’ny amin’ny Zaikabe.

 

TSARA HO FANTATRA

  1. Manana karatra mpikambana FI.MPI.MA. vao afaka manatrika ny Zaikabe, raha toa ka very na hadino ny karatra dia hamarinina ny latsakemboka tokony ho naloa izay vao omena solon’ny karatra. Hafaingainina araka izay tratra ny fahazoana karatra.
  2. Omena karatra avokoa ny mpizaika rehetra
  3. Tolorana “badge” avokoa ny Mpikambana tsotra sy ny Mpikambana raikitra rehetra mandritra ny Zaikabe (fenoina ny anarana sy ny sehatra niaviany ary ny andraikitra FI.MPI.MA. vao atao an-tratra na iambozonana ny badge). Tolorana fampahafantarana na « badge », miloko hafa kosa ny olona sendra mandalo (“Vahiny”). Manao badge hafa loko ny Sakaizan’ny FI.MPI.MA. nandoa latsakemboka).
  4. Tsy misy fisoratana anarana intsony any amin’ny Zaikabe. Na tonga any Antsiranana aza ny mpikambana ka tsy nisoratra mialoha dia tsy afaka manapa-kevitra amin’ny zaikabe, fa mpanotrona ihany.
  5. Misalotra lamba FI.MPI.MA. avokoa ireo mpikambana raikitra rehetra. Tokony hitafy ny lamba tamin’ny famoahana azy, raha azo atao, izay mbola tsy mitafy lamba FI.MPI.MA. mandritra ny lanonana sy fivoriana.
  6. Ny fivoriana manokan’ny FI.MPI.MA. ihany no tsy azo atrehin’ny olona ivelany. Ny lanonam-panokafana, ny lanonam-pamaranana, ny fampirantiana, fiofanana, takariva, … kosa dia anasana vahiny.

FANDAHARAM-POTOANA

Amin’ny 8 ora maraina no manomboka ny fivoriana, fa mialoha izany, manomboka amin’ny 6 maraina dia misy ala vonkina, fanatanjahan-tena (dian-tongotra, zumba, fiarovan-tena) ary fiofanana samihafa; misy koa ny fampirantiana isan-tsokajiny : hainteny, ohabolana, kabary isam-paritra (tsy voafetra ny isany sy ny habeny), fampahafantarana ny isan-tsehatra (A3 na x-banner na roll-up na hifampierana amin’ny Foibe raha misy efa vita ankoatra ireo) sy ny isam-batan’olona (A4).

 

Andro voalohany, Alatsinainy 01 oktobra 2018

8 ora sy sasany:

Diabe mamakivaky ny tanàna (samy mitondra marika hamantarana azy ny isan-tsehatra, entanina ny tsirairay mba samy hanao fitafy isam-paritra).

10 ora:

Lanonam-panokafana ny Zaikabe ao amin’ny lapan’ny tanàna, Famoahana mpianatra, Fanasalorana lamba, fitsidihana ny fampirantiana, fotoana malalaka.

3 ora sy sasany:

Fivorian’ny Komity Foibe ao amin’ny Paul VI.

5 ora sy sasany:

Fivorian’ny isam-paritany

 

Andro faharoa, Talata 02 oktobra 2018

8 ora – 12 ora:

Tatitry ny Faritany sy ny Foibe,

Fanolorana ny Filohan’ny Zaikabe (Atrehin’ny mpikambana rehetra)

2 ora – 6 ora:

Fanapahan-kevitra: Sata fototra,… (Atrehin’ny mpikambana rehetra)

6 ora sy sasany – 8 ora:

Takariva fanehoana ny kanto isam-paritra

Tokony ho hita eny amin’ny mpizaika ny maha FI.MPI.MA. azy: « T-shirt » Zaikabe 2018 (na « T-shirt » FI.MPI.MA. iombonana amin’ny Foibe. Azo tsindriana akanjo mafana raha sendra mangatsiaka.), ankoatra ny « Fango » ho an’ny rehetra sy lamba ho an’ny mpikambana raikitra.

 

Andro fahatelo, Alarobia 03 oktobra 2018

8 ora – 12 ora:

Fanapahan-kevitra Sata fototra,… (Atrehin’ny mpikambana rehetra)

2 ora – 6 ora:

Fitsidihana ny tanànan’Antsiranana sy fampahafantarana ny fombafomba ao aminy

6 ora sy sasany – 8 ora:

Fifaninanana fitafy nentin-drazana, Taovolo,…

 

Andro fahefatra, Alakamisy 04 oktobra 2018

7 ora – 2 ora:

Fifidianana ny Filohan’ny FI.MPI.MA. maneran-tany sy izay fifidianana hafa rehetra.

2 ora:

Fanisana vato any Antsiranana sy any amin’ny Masoivohom-pirenena malagasy any Soisa ho an’ny  FI.MPI.MA. ivelan’ny nosy.

5 ora:

Fanambarana ny vokatry ny fifidianana any Antsiranana, aorian’ny fanisam-bato.

 

Fifaninanana Lalao fanatajahan-tena (mandritra ny fotoana hanaovana fifidianana)

 

Andro fahadimy, Zoma 05 oktobra 2018

Maraina:

Fivoriana samihafa

Famaranana ny lalao fanatajahan-tena, raha misy.

2 ora tolakandro:

Lanonam-pamaranana

Fianianan’ny Filoha rehetra nofidina tao amin’ny Zaikabe

Fanolorana Mari-boninahitra sv Mari-pankasitrahana, raha misy.

Seho isam-paritra (15 minitra avy)

Fanasana ny vahoakan’Antsiranana

Zoma mahafinaritra

 

Andro fahenina, Asabotsy 6 oktobra 2018

Maraina:

Fandehanana any amoron-dranomasina, any Ramena

Fitsidihana toerana manan-tantara

Fialam-boly

Fifaninanana karaoke hira malagasy

Lomano

Tolakandro:

Fanadiovana tanàna

 

Andro fahafito, alahady 7 oktobra 2018

5 ora maraina:

Fodiana

 

Rohy mankany amin’ny tolo-tanana « Zaikabe FI.MPI.MA.»