Fintina Zaikabe 2018
Notontosaina tany Antsiranana tamin’ny alahady 30 septambra ka hatramin’ny asabotsy 6 oktobra ny Zaikabe fahefatry ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy FI.MPI.MA. Tao amin’ny SCAMA Paul VI no nanaovana ny Zaikabe fa ny fanokafana sy famaranana kosa no natao tany amin’ny Lapan’ny tanànan’Antsiranana
Vaninandro miavaka, mivela ho tantaran’ny FI.MPI.MA. ny zaikabe fahefatra ary fanamby lehibe satria voalohany no tsy natao teto andrenivohitra ny Zaikabe fa tany amin’ny tendrony avaratry ny nosy ary nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ny faha 55 taonan’ny FI.MPI.MA.. Tanteraka soa aman-tsara ny Zaikabe ary nilamina tsara.
Mpikambana 600 mahery avy amin’ny Faritany rehetra manerana an’i Madagasikara sy avy any ivelan’ny nosy no nandray anjara tamin’izany fivoriam-be izany.
Nodinihina tamin’izany ny vina, ny tanjona teo amin’ny Kolontsaina, Fanabeazana ary ny Sosialy sy ny mahaolona
Ankoatra izany, ny fandinihana ireo voambolana ampiasaina ao amin’ny boky vona mampiray.
Notanterahana tany amin’ny Zaikabe ny alakamisy 4 oktobra ny fifidianana ny Filohan’ny FI.MPI.MA. maneran-tany izay hitondra ny FI.MPI.MA. mandritry ny efa-taona. Ho an’ireo mpikambana any amin’ny firenena misy sampana na Faritany FI.MPI.MA. any ivelan’ny nosy kosa dia natao tany ivelan’ny Nosy ny fifidianana
Roa no nirotsaka ho fidina ka lany tamin’ny isam-bato 80 isan-jato Ramatoa ANDRIAMBOAVONJY Hanitrinaina Ravaomalala.
Novelomin-tsoratra nandritry ny Zaikabe ny lafiny kolontsaina hanehoana ny harenan-tsaina isam-paritra ao anaty fahasamihafana : fampirantiana isan-tsokajiny, seho isam-paritany natao ny alarobia 3 oktobra hariva tao amin’ny SCAMA Paul VI ary ny zoma 5 oktobra hariva teo anoloan’ny Lapan’ny tanana miaraka amin’ny vahoakan’Antsiranana tamin’ny lanonam-pamaranana ny Zaikabe.
Tsy nohadinoina koa ny fiofanana toy ny fampivoarana ny fahombiazan’ny tsirairay, haifandahatra ; ny kaonferansa : tantaran’i Madagasikara, nisy ihany koa ny kolovatana, , ny fiarovan-tena, ny fifaninanana baolina kitra, lalao kanetibe,…
Nisy fotoana malalaka nitsidihana ny tanan’Antsiranana sy ireo toerana manan-tantara ao aminy. Ny fiarahana teny amoron-dranomasin’i Ramena no namaranana ny Zaikabe ny asabotsy 6 oktobra.
Azo tsapain-tanana fa nanamafy ny fifankahalalana sy ny fifankatiavana teo anivon’ny mpikambana FI.MPI.MA. ny Zaikabe fahefatra tany Antsiranana ary amin’ny taona 2022 any amin’ny Faritany Fianarantsoa no hatao ny Zaikabe fahadimy.
Ny teny fanevan’ny FI.MPI.MA. manomboka izao dia ny hoe : « kabary, ivelaran’ny isam-paritra, mampiray ny Malagasy, kabary antsika jiaby »
RAMANDRAIVONONA Dera
Filohan’ny Zaikabe FI.MPI.MA. fahefatra Antsiranana