Sampana FI.MPI.MA. Benelux Lanonam-pamoahana sy fanasaloran-damba Sabotsy 25 septambra 2021 ao Bruxelles
Ny Sampana FI.MPI.MA. Benelux dia faly manasa anao hanome hasina sy hanemitra ny lanonana famoahana , fanasaloran-damba ireo « andiany Sandratra, Andraina, Salohy » taona 2019-2020-2021″- fandraisan-tanana ireo mpianatra teny Malagasy « andiany 2021 » ary fanokafana ny taom-piofanana 2021-2022. Andro : Asabotsy 25 Septambra 2021, amin’ny Telo ora hariva (15h). Toerana : Maison St Marc, 76 avenue de…
Andro iraisam-pirenena ho an’ny SAF (Syndrome d’Alcoolisation Fœtale) ZOOM iarahana amin’ny SOROPTIMIST Alakamisy 09 Septambra 2021, manomboka amin’ny 8 ora alina (ora Madagasikara)
« Sarobidy ny aina ao am-bohoka, ka dieny mitsika, halaviro ny toaka » Manasa anao hifanotrona amin’ny ANDRO IRAISAM-PIRENENA ho an’ny SAF (Syndrome d’Alcoolisation Fœtale), ny Alakamisy 09 Septambra 2021, manomboka amin’ny 8 ora alina (ora Madagasikara), arahinao amin’ny alalan’ny ZOOM, ID : 87310383407, MDP : 090921 sy mivantana amin’ny Facebook Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy.
Atrik’asa Faritany FI.MPI.MA. Frantsa sabotsy 25 sy alahady 26 septambra 2021 any Lyon
ATRIK’ASA ho an’ny Mpikambana rehetra ao amin’ny Faritany FI.MPI.MA. Frantsa: Sabotsy 25 sy Alahady 26 septambra 2021 any Saint-Romain-de-Popey, Lyon. Tongava maro. Farany Fisoratan’anarana: 12 septambra 2021.
