COVID 19 Horonan-tsary fanentanana Sampana Hanitra Nentin-drazana Ambohipo
Loza tsy mihatra no sorohina, fa ny mby an-koditra tsy maintsy atrehina. Fa raha tsy maintsy mivoaka dia manaova Arovava. Andeha hifanampy sy hifanohana, raha manana Arovava telo ianao manolora iray ho an’ireo tsy manana.
COVID 19 Horonan-tsary fanentanana Sampana Sarivazohafa Anatihazo
Manasà tanana amin’ny rano sy savony matetika, mihibohana ao an-trano ka aoka tsy hivoaka raha tsy misy antony manokana, hajao ny elanelana iray metatra, aza mandrora na mandrehoka etsy sy eroa ary raha mievona dia tampenana amin’ny sandry ny vava, raha miakatra ny hafanana manatona tobi-pahasalamana na dokotera.
Horonan-tsary hira faneva FI.MPI.MA.
Horonan-tsary hira fanevan’ny FI.MPI.MA. sy ny tonony. 1. Fa ny teniko no hajan’ny taniko Asandratro fa tena mamiko Ka ny fombako hivoatra hatrany Dia ny ribany no ho fy sy ho mamy 2. Fa ny ra iraisako aminy No itiavako ny soa tsy holaniny Amin’ireo Malagasy rehetra Amin’ny Nosy izay tsara fitoetra 3. Izay…
Covid-19 Fahalasanan’ny mpikambana Benelux nahavita be tato amin’ny FI.MPI.MA.
Lavo teo an-tanim-piadiana ny talata 07 Aprily 2020, Rtoa Françoise SOAMARO, (Mpiasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, Akany ho an’ny zokiolona), iray amin’ireo mpikambana mpanorina, sady mpitahiry vola ny Sampana FI.MPI.MA Benelux. Tapaka angady niasana, very ambioka hody voa ny fianakaviamben’ny FI.MPI.MA., sy ny tontolon’ny kanto. Mitamberina ao an-tsaina, mitambolina ao am-po ireo tsiaro noraketin’ireo…
