Atrik’asa Faritany FI.MPI.MA. Frantsa sabotsy 25 sy alahady 26 septambra 2021 any Lyon
ATRIK’ASA ho an’ny Mpikambana rehetra ao amin’ny Faritany FI.MPI.MA. Frantsa: Sabotsy 25 sy Alahady 26 septambra 2021 any Saint-Romain-de-Popey, Lyon. Tongava maro. Farany Fisoratan’anarana: 12 septambra 2021.
FARITANY SOISY LANONANA FAMOAHANA sabotsy 18 septambra 2021 amin’ny 6 ora sy sasany hariva
Am-pifaliana hatrany no hanasana antsika rehetra hifanotrona amin’ny lanonan’ny mpikabary, hatao any Suisse, anio asabotsy 18 septambra 2021, amin’ny 7 ora sy sasany, ora Madagasikara.
Sampana FI.MPI.MA. BENELUX 28 aogositra 2021 Vokatra fanadinana andiany ANDRAINA sy SALOHY
Tontosa soa ny 28 aogositra 2021 lasa teo ny fanadinana ho an’ny andiany ANDRAINA sy SALOHY tao amin ny Sampana FI.MPI.MA BENELUX. Tsara ny vokatra, kanty ireo mpiadina ary velombolo ny mpampiofana. Indreo sary vitsivitsy :
