SAMPANA ALEMANA Lanonana 1 May 2019 tao Munich
Lanonana 3 sosona no natao taoMunich ny 1 mey 2019, famoahana mpikabary andiany Sandratra sy fandraisana mpikambana azy ireo, fanasaloran-damba ny andiany tsimoka. Fianianan’ny Filohan-tsampana FI.MPI.MA. Allemagne Rtoa Jeanine BENECKE. Tonga niahy sy nitarika ny lanonana ny Filohan’ny FI.MPI.MA. maneran-tany Rtoa ANDRIAMBOAVONJY Hanitra. nandrindra ny lanonana manara-penitra kosa ny mpiandraiki-draharaha ivelan’ny Nosy eo anivon’ny Foibe,…
FARITANY FRANTSA Lanonana 4 Mey 2019 MONTPELLIER
Lanonana sampana AVIGNON, LYON, MARSEILLE, MONTPELLIER ary NICE teo ambany fiahian-dRtoa Filoha maneran-tany sy Fiadidian’Atoa filohan’ny faritany Frantsa ary notronin’ny Mpiandraiki-draharaha ivelan’ny nosy sy ny Masoivoho malagasy. Ny 4 Mey 2019 Salle d’Oeuvre JEAN XXIII 42, Aveus d’Asas 34000 Montpellier Niatomboka tamin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana. Avy eo dia notohizana tamin’ny fanatontosana ny lanonana manara-penitra…
LANONANA SAMPANA BENELUX 11 MAY 2019 tao Bruxelles
« Izay mitambatra vato, Izay misaraka fasika » « Ny vorona manadino ny akany nahafoizany, ny valala no mahafoy ny tany nihaviany, fa ny Malagasy tsy mba manadino velively ny tanindrazany, ary manaja sy mankamamy ny tenindrazany. » Tontosa an-tsakany sy an-davany ny lanonana telo sosona nataon’ny sampana Benelux tao Bruxelles ny ASABOTSY 11 MEY 2019, teo ambany fiahian-dRtoa…
SAMPANA NORVEZY Lanonana 18 MEY 2019 NESTTUN BERGEN
Tsy toy ny antso an’efitra ka ako no mamaly, Tsy fola-tanana nanondro na fotsy rora niteny raha nikarakara ny hetsika lehibe nataony ny Fimpima Sampana Norvezy fa afa-po tokoa tamin’ny fihaonana sy fifanotronana nisy. Voatontosa soa aman-tsara tao Bergen ny fiarahana sy lanonana izay natao nanomboka ny 16 ka hatramin’ny 18…
FANOKANANA HO SAMPANA NY NOSY LA REUNION 16 MARTSA 2019
Izay tia ny tenindrazany, tia ny tanindrazany Lanonana natao tao amin’ny Mairie Saint-Denis ny 16 Martsa 2019 -Fanokanana ho sampana ny nosy La Réunion -Fametrahana ny Filoha sy ny birao hitantana ny sampana vaovao -Famoahana ny andiany voalohany FANILO -Seho an-kabary -Fiarahana miala hetaheta